T
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy tratra nibata vy halatra tao amin’ny kaominina Alasora, omaly. Nendahin’izy ireo tamin’ny tranon’olona ireo vy fiarovana teo amin’ny varavarana. Nentina natao famotorana izy roa lahy. Lehilahy nahatrarana basy tsy ara-dalàna tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia 15 oktobra lasa teo. Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny fitaovam-piadiana teny amin’ity tovolahy ity ary nentina natao fanadihadiana eny anivon’ny kaomisaria Avaradrano…
T
Tsena mitafo bozaka maro may tao Antanimary, kaominina Ambanivohitra Ambatomivary, disitrikan’i Betroka, omaly atoandro. Niara-nisalahy namono ny afo ny fokonolona sy ny tomponandraikitra any an-toerana. Efa manokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny anton’ny fahamaizana ny mpitandro filaminana. Nirotsaka an-dalambe nampianatra lalàna mifehy ny fifamoivoizana ho an’ireo mpamily Taxi-Ville sy Taxi-moto ao Ambilobe ny Zandarimaria, omaly. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana…
T
Voasambotry ny polisy ny jiolahy nangalatra moto tao Miadana, kaominina Alasora, afakomaly. Nandositra tany Antsirabe izy taorian’io. Nanao fanarahan-dia ny mpitandro filaminana ka tratra ity mpangalatra ity. Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy sarona nanao asa fanendahana teny Ambohitrarahaba. Vehivavy miisa roa nendahin’ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana tao an-tsena izy ireo ka voasambotra, ny alahady 11 oktobra lasa teo.…
T
Nahemotra amin’ny 10 novambra 2026 ho avy izao indray ny fotoam-pitsarana an’ilay mpamily tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohidahy, ny talata 8 septambra 2026 lasa teo. Raha toa ka tokony ho natao omaly izany. Mbola misy taratasy andrasan’ny eo anivon’ny fampanoavana ka antony nanemorana ny fotoam-pitsarana. Tsiahivina fa olona dimy no namoy ny ainy tamin’ity tranga ity. Olona iray naiditra am-ponja vonjimaika ary napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana ny olona roa hafa. Voampanga…
T
Tovovavy iray tratra nangalatra finday marika Spark 50 tao amina toeram-pivarotana finday etsy Analakely, omaly. Nilaza fa nentin’ny fanahy izy, nahatonga azy nampiditra ilay finday tao anaty harona plastika teny an-tanany. Nanambara ny mpivarotra fa norebireben’ity tovovavy ity izy ary nanontaniany ny mahakasika ireo kojakoja rehetra miaraka aminy. Efa nataony tao anaty harona anefa ilay finday nandritra izany. Notanterahina omaly, ny lanonana fandraisam-pibaikoana ny Talem-paritry ny…