T
Nampidirina vonjimaika am-ponja ao Betroka ny mpamily sady tompon’ny fiara niteraka lozam-pifamoivoizana tany Ianabinda, Betroka, ny 17 novembre 2026 lasa teo. Voarohirohy miaraka aminy ihany koa ny mpanampy mpamily. Marihina fa nahatratra 33 ireo olona namoy ny ainy tamin’iny loza iny. Tsiahivina fa lasan’ny ranotrambo ny fiara rehefa hiditra ny tetezana Ianabinda ka nahatonga ny loza. Lehilahy miisa roa avy nangalatra ny vola tao amin’ny mpampiasa azy no voasambotry ny polisy tany Toliara, ny…
T
Notanana vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ireo olona miisa enina nahatrarana vatoharatra fampiasa amin’ny fiara sy kojakoja samihafa, tao Antsiranana. Nangalarin’izy ireo tamin’ny fiara mipetraka Jiolahy roa lahy mpanao asa ratsy, lavon’ny balan’ny polisim-pirenena tao Tsararano ambany, kaominina Mahajanga, afakomaly. Namaky trano tao an-toerana ireto mpanao ratsy nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny UIR ireto. Tsy nisy alaharo, nirefotra ny basy rehefa nikasa hamaly ny…
T
Nolavahan’ny olon-dratsy ny rindrina ka lasan’izy ireo ny omby lahy sahabo 3 taona tao Ambaniandrefana, kaominina Tanjombato, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 22 novambra teo. Nanara-dia ny tompon’omby lasibatra saingy tsy hita ny nandosiran’ireo mpanao ratsy. Avotry ny polisy ny vehivavy nataon’ny dahalo takalonaina tao amin’ny Fokontany Antsalova Afovoany, kaominina Antsahalova, afakomaly. Nalain’ny dahalo roa lahy ity vehivavy ity, ny 19 novambra lasa teo. Noratrain’ireo tsy valahara…
T
Mpanendaka roa lahy saron’ny polisy tsy lavitra ny Antenimerandoholona Anosy, ny alin’ny alarobia 18 novambra teo, tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Niara-nisalahy ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona ka nahazoana an’ireto mpanao ratsy ireto. Lehilahy voarohirohy ho mpisoloky sady mpiray tsikombakomba amin’ny fanaovana hosoka karohin’ny polisim-pirenena, nanomboka omaly. Karohina noho ny fikasana handositra izy. Voalaza fa anisan’ny ao anatin’ny fikambanan-jiolahy koa, ity lehilahy karohina…
T
Nikasa handositra rehefa nentin’ny mpitandro filaminana hihazo ny birao ka maty voatifitra ny dahalo raindahiny tao amin’ny kaominina Andiolava, distrikan’ Ihosy, afakomaly. Nitrangana halatr’omby tao amin’ny tanànan’i Vatambe, ny talata 17 novambra lasa teo. Noraofin’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana ny omby miisa 24. Nanara-dia avy hatrany ny tompon’omby sy ny fokonolona tao amin’ny tanàna lasibatra. Voasambotra tao amin’ny fokontany Bekily, kaominina Andriandampy ny iray tamin’ireo dahalo…
T
Lehilahy nisandoka mpanao Cash point tao Ambatondrazaka, afakomaly. Mody naka vola mitetina 2 000 000 Ar io lehilahy io ary nandositra tamin’ny taxi-moto. Nijery ny hafatra miafina tao anatin’ny finday anefa ny mpanao Cash point ka voamariny fa voasoloky izy. Nampandre ny mpitandro filaminana izy ka voasambotra ilay mpisoloky. Kamiao lehibe iray nirehatra tampoka teny an-dalana teo Ankorondrano, omaly. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fahavoazana. Nifandrimbona nifehy ny firehetana ireo mpamily…
T
Lehilahy iray hita faty tetsy amin’ny Cenam Andavamamba, omaly maraina. Hita nitsirara teo amin’ ny sisin-dalana manamorona ny rano izy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa ihany koa hita faty tao anaty rano tetsy Tanjonandriana Ambohimanambola, omaly atoandro. Efa nalain’ny BMH ny razana ary naterina eny amin’ny tranom-paty. Antsoina ny fiakavian’ny lehilahy iray izay nanorina trano eo amin’ny andrin-jiro ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy.…
T
Moto halatra tafaverin’ny zandary amin‘ny tompony teny Anjomakely, omaly maraina. Nalain‘ny jiolahy mpamaky trano nandritra ny alina io moto io. Nanao fisafoana ny zandarimaria miasa ao Ambohijanaka ka nifanehatra tamin‘ireto farany ireo jiolahy, omaly maraina tamin‘ny 3 ora. Voatazona vonjimaika any am-ponja ny mpamily fiara nandona ka nahafaty zazavavy 4 taona tao Sahamamy, distrikan‘Amparafaravola, afakomaly. Nilalao taorian‘ny fiara ity zaza ity izay voalaza fa tsy tsikaritry ny mpamily.…
T
Lehilahy iray, 28 taona, namoy ny ainy nirodanan’ny tamboho, ny sabotsy teo, tany Bejabora, kaominin’Ambohibary, distrikan’i Moramanga. Naratra, nandritra izany, ny mpiara-miasa aminy miisa efatra. Taorian’ny loza, nentina tany amin’ny hopitaly ireto farany ary efa manaraka fitsaboana. Raha ny fantatra, tamboho iray vao natsangana no nirodana tampoka. Teo am-pakana aina ireto farany no niharan-doza. Omby miisa 20 lasan’ny dahalo no tafaverin’ny zandary sy ny fokonolona tamin’ny tompony, ny…
T
Moto iray no niharan-doza tetsy amin’ny lalam-baovao Makis Andohatapenaka, omaly hariva. Nandeha taorian’ny fiara kely iray izy saingy nibolisatra ka nifatratra tao ambanin’ilay fiara teo alohany. Nalama noho ny fisian’ny orana ny lalana ka antony nahatonga ny loza. Marihina fa tsy nisy ny olona naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany. Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Antanimora, omaly, ny vehivavy iray 31 taona, voarohirohy tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina ((Heroine). Rehefa avy…
T
Taksiborosy mampitohy an’Arivonimamo sy fiara mpitatitra entana iray niampy bisikileta tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, omaly maraina. Potika ny lohan’ireo fiara roa nifandona. Nentina namonjy mpitsabo ireo naratra. Tsy nisy ny namoy ny ainy. Zazavavy 11 taona lasan’ny rano tao Ampasina Maningory, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly. Nilomano ity zaza ity kanjo rendrika tampoka. Nikoropaka ny mponina manodidina ary nifampitadiavana ilay zaza. Azon’ny tory tampoka nandritra ny…
T
Notsindromin’ny olon-dratsy antsy ny mpiambin-trano iray rehefa niantso vonjy tao Malaho Ankadirano, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 9 novambra teo. Niditra an-keriny tao an-trano ny mpanao ratsy. Zaza sy ny rainy ary ny mpiambina no tao an-tanàna tamin’io fotoana io. Mpianaka naratra taorian’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN1, teo amin’ny PK 31+500, tao Fonenana, distrikan’Arivonimamo, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy 45 minitra. Nifatratra…
T
Olona 28 nosamborin’ny polisy nandritra ny hetsika « Task Force » teto Antananarivo Renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Nisy tamin’ireo voasambotra nahatrarana fitaovam-piadiana, namily moto na fiara miaraka amin’ny hamamoana ary nisy tsy nitondra kara-panondro. Natao mba hampanarahan-dalàna ny vahoaka sy hisian’ny fandriampahalemana ity hetsika ity. Mpanao taxi-moto voasambotry ny zandarimaria miasa ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, afakomaly. Mody manofa moto ity lehilahy ity ka…
T
Mpandeha iray naratra nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo mpanakan-dalana teny amin’ny RN7, teo anelanelan’i Camp Robin sy Anteza, omaly maraina tamin’ ny 2 ora. Niezaka niaro ny kitapo teny aminy ity mpandeha ity rehefa nosakanan’ny dahalo ny fiara. Nentina notsaboina ao amin’ny hopitaly Tambohobe Fianarantsoa izy. Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny ombiasy mpanao fanafody ratsy fampiasan’ireo dahalo ao Farafangana, afakomaly. Sarona tao amin’ny tanànan’Ambalafatsy, kaominina…
T
Nahitana fatin-jazakely tao anaty kitapokely tetsy Ampitatafika, omaly. Narin’ny tsy mataho-tody teny amoron-drano, avaratry ny tetezan’Ampitatafika ilay fatin-jazarano. Nahatsikaritra ilay kitapo ny vehivavy iray sendra nandalo. Nokitihiny izany kanjo fatin-jaza no tao. Tonga nijery ny zava-nisy ny polisy sy ny zandarimaria. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’izy ireo ahafantarana ny tompon’antoka. Zazavavy iray 9 taona, mpianatra ao amin’ny EPP Besopaka, kilasy T3, no nodoran’ny…
T
Vehivavy 20 taona hita faty nihantona tao amin’ny fokontany Antanimenakely, kaominina Ilaka Centre, omaly. Ahina ho namono tena izy, raha ny fahitan’ny nanatri-maso ny razana. Niroso amin’ny fizahana ny mpitsabo ary manao fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Lehilahy malagasy 23 taona sy olona roa hafa nosamborin’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina ao Maorisy, ny 1 novambra teo. Nitondra zava-mahadomelina avy aty Antananarivo ny teratany malagasy iray. Nosavain’ny mpitandro…
T
Olona 11 voasambotry ny polisim-pirenena tao Fianarantsoa, nandritra ny hetsika mahomby nataon’izy ireo, nanomboka ny 23 oktobra hatramin’ny 31 oktobra teo. Nangalatra solosaina, clé USB ary power bank ny lehilahy roa. Nanendaka teny Anjoma sy Ambatolahikisoa ny lehilahy dimy hafa. Manendaka mitana fiadiana ny roa. Lehilahy roa hafa tratra nanao vola sandoka,tao Mahasoakely. Tratran’ny zandary tao Vontovorona ny lehilahy mpamaky fiangonana, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nirongo entana…
T
Hiakatra fitsarana ady heloka bevava, anio, ao amin’ny efitrano faha-4, ny raharaha namonoana an’Andrianirina Tsirava Amboara Raissa, zazavavikely 8 taona, nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana tetsy Antohomadinika IVO, ny 11 may 2025 lasa teo. Tsy hita popoka izy ny andron’ny 10 mey 2025, saingy hita tao anaty gony, nasitrika tsy lavitra ny tranony ny vata mangatsiakany, ny ampitson’io andro io. Anisan’ireo olona naiditra am-ponja tamin’ity raharaha ity ny renibeny sy ny anadahin-dRaissa…
T
Tovolahy maty voatsindrona antsy nandritra ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto iray tany Ambositra, afakomaly. Raha ny fanazavana voaray, taorian’ny tranga, voasambotry ny polisy ilay olona nahavanon-doza. Nirohotra nihazo ny biraon’ny kaomisaria ireo andian’olona mitaky ny hanaovana fitsaram-bahoaka ilay voatazona. Volamena milanja 231g indray no sarona teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny sabotsy hariva teo. Mpandeha, Malagasy iray, saika hiondrana amin’ny sidina Emirates no…
T
Mpitondra moto niaraka tamin’ny olona nentiny tra-doza tampoka teny amin’ny lalam-pirenena fahadimy, mihazo an’i Foulpointe, omaly. Nidona tamin’ny sisin-dalana ny moto ka olona iray namoy ny ainy. Naratra mafy ny namany. Manamafy ny fisavana ireo fiara mifamezivezy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany RN1 Bis ny zandarimaria, ny 29 oktobra lasa teo. Nampiasa alika mpitsongo dia izy ireo hanatrarana ireo fitaovam-pitaterana mitondra zavatra hafahafa, toy ny rongony mahery vaika. Nanara-dalàna…
T
Tafaverin’ny polisim-pirenena tamin’ny tompony, ny 27 oktobra 2026 teo, ny moto iray nisy nangalatra tany Betroka. Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny polisy sy ireo andrimasom-pokonolona ao amin’ny fokontany Tanakompania, nahafahana nahita izao vokatra izao. marihina fa nisy nangalatra ny 25 oktobra lasa teo io moto io. Nisaotra ny Fitondrana fanavaozana ny depiote voafidy tany Mahajanga teo aloha, Nina, tamin’ny famelana azy hivoaka ny fonja hanatrika ny fandevenana an-janany. Ity farany izay…
T
Mitohy ny fisavana ny mpitondra moto ataon’ny mpitandro filaminana eto an-dRenivohitra. Fampanarahan-dalàna sy hisorohana ny lozam-pifamoivoizana no anton’io hetsika manokana io. Takin’izy ireo, anatin’izany, ny fanaovana aroloha sy ny fanajan’ireo mpampiasa moto ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Tsy nisy nanara-dia noho ny tsy fahampian’ny isan’ny mpitandro filaminana miasa ao Beravina ny halatr’omby nahafatesan’olona iray tao amin’ny disitrikan’i Miandrivazo, faritr’i Menabe, ny alakamisy…
T
Ankizy iray maty voakaikitry ny alika tao Miadana, iray hafa tao Ambodivondava, kaominina Alasora. Ity farany izay mbola manaraka fitsaboana any amin’ny Institut Pasteur Avaradoha, amin’izao fotoana izao. Miiba avokoa ny valin’ny fitiliana haromotana tamin’ireo zaza ireo. Entanina ny tompon’alika mba hanao vaksiny ny biby sy tsy hamela azy ireny hirenireny. Zazavavikely vao teraka no hitan’ny olona nisy nanary tany Ambohimenakely, kaominina Miandrivazo, disitrikan’i Tsiroanimandidy, afakomaly…
T
Olona efatra tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny kaominina Alasora, omaly. Nihinana « composé » anaty barquette izay hamidy mandehandeha ny roa tamin’izy ireo. Nihinana « soupe commando » ny roa ambiny. Nentina notsaboina tany amin’ny CSB II Alasora izy ireo. Noho ny hamafin’ny aretina, nalefa any amin’ny hopitaly Ambohimangakely taorian’izay. Hiakatra fitsarana androany, etsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly 67 Ha, ny raharaha Boeing 777. Misokatra ho an’ny…
T
Lehilahy iray 36 taona voasambotry ny polisim-pirenena noho ny fisolokiana sy fandrahonana mpampiasa Cash-point iray teny Ankaraobato, Ankadilalampotsy, afakomaly hariva. Nidina teny an-toerana ny polisy avy ao amin’ny UIR sy Ankaraobato vantany vao nahazo fitarainana. Nangataka hametraka vola 150 000 Ariary ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tsy nety nanome ny vola tokony haloany ity farany ary nandrahona ilay mpiasa. Nahitana karapanondro ahina ho hosoka teny aminy. Vehivavy iray voasambotry ny…
T
Vehivavy mpivarotra rongony voasambotry ny mpitandro filaminana teny Ampitatafika, afakomaly. Nahatrarana fonosana rongony am-polony teny aminy. Milanja 400 grama ny rongony izay nokasainy hamidy. Atao famotorana izy alohan’ny hanolorana azy eo anivon’ ny fampanoavana. Roa lahy mpisoloky karohin’ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny kaomisaria foibe Atsimondrano Tanjombato, omaly. Nivadi-pitokisana sady nangalatra ny iray tamin’izy roa lahy ireo. Nandray anjara tamin’ny fisolokiana ny iray…
T
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny teratany tanzaniana iray tra-tehaka tetsy amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Voarohirohy ho anisan’ireo mpanao trafika sokatra sy mpanondrana izany antsokosoko any ivelany izy io. Voasambotra ny 17 oktobra 2026 lasa teo ny tenany, raha nikasa hiditra teto Madagasikara. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny trafika sokatra miisa 1552 tany Manja sy 766 tany Mahajanga tamin’ny taona 2025 izy. Vazaha iray nandeha niantsena no norobain’ny jiolahy miisa…
T
Fiara tsy mataho-dalana iray tafavoaka ny lalana teo akaikin’ny Rond-point Don Bosco Ivato, afakomaly alina. Nisy vehivavy niseho tampoka nipetraka teo amin’ny seza alohan’ny fiara. Taitra ny mpamily nahita izany ka niteraka ny lozam-pifamoivoizana. Tsy nisy ny naratra sy ny namoy ny ainy tamin’izany. Naneho ny alahelony, manoloana ny fitarazohan’ny fanadihadiana mahakasika ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Andranotapahina, ny zoma lasa teo, ny fianakavian’izy efa-mianaka niara-maty,…
T
Trano misy rihana roa nirehitra tetsy Antanimena, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany. Tonga teny an-toerana namono ny afo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina, enina minitra taorian’ny antso. Fifampikasohana herinaratra tao amin’ny «compteur », ny « cage d’escalier », no voalaza fa anton’ny firehetana. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Nisava sy nanara-maso ireo kodiaran-droa manao hazakazaka mampidi-doza, tamin’ny faritra maro teto an-dRenivohitra, ny CUA, afakomaly. Niarahana…
T
Lehilahy iray nitondra moto, maty nianjeran’ny hazo tany Betaikankana Ambodiampana, Bealanana, omaly tolakandro. Voalaza fa nisy olona nanapaka ilay hazo ka nianjera teny amin’ny lalana. Sendra nandalo teo anefa ity mpitondra moto ity no nianjera ilay hazo. Marihina fa an-dalana hamonjy fodiana any Antsohihy izy no izao tra-doza izao. Notanterahina omaly ny hetsika fanalana ireo lemizo sy fandravana ireo trano sachet tsy ara-dalàna teny Tsiazotafo, Behoririka ary Antsakaviro. Niarahan’ny Polisy…